Fifamoivoizana

Ivandry Mpitondra môtô nifatratra tany ambany fiara 4x4


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Mpitondra môtô scooter iray no voatery nosokirina tao ambany fiara 4x4 omaly zoma hariva teny Ivandry.

Raha araka ny fantatra dia vokatry ny tsy fitandremana nataona mpamily fiara karetsaka iray no nahatonga ny loza. Nanala mpandeha tao anatin’ny fitohanana  mantsy ity farany ka namoha varavarana avy hatrany. Voadonan’izay tampoka anefa ilay mpamily môtô niray lalana taminy ka nisosa ary tsy nijanona raha tsy tany ambanin’ilay fiara 4x4 .  Na izany aza anefa no zava-nitranga dia tsy nijanona ilay mpamily fiara karetsaka fa mbola lasa nanohy ny diany ihany. Tsiahivina moa fa tsy vao sambany no nisy tranga tahaka izao teto an-drenivohitra. Mifanjevo anaty fitohanana hatrany isan-kariva ny môtô sy ny fiara karetsaka ary ny fiaran’olon-tsotra noho ny fahamaikana ka tsy hita intsony izay tena marina. Antso avo no hatao amin’ny tompon’andraikitra mba hijery ny tranga tahaka itony. Avotra soa aman-tsara kosa ilay mpitondra môtô na dia naratra ihany  aza.

Pati

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT