Fifamoivoizana

Taksibe sy fiara kely nifandona Mpivady indray maty teny amin’ny By Pass


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Olona roa no indray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny By Pass, tsy lavitry ny “Rond point” eo Ambohimanambola omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 3 ora latsaka kely teo ho eo.

 Fiara sprinter taksibe ao anatin’ny zotra 163 no nifanehitra tamin’ny fiara kely iray miloko mena marika Seat. Mafy dia mafy ny fifandonana, ka samy potika ny fiara saingy tena rotika tanteraka kosa ilay fiara madinika, ka potsitra sy maty tao ireo mpivady tao anatiny. Ilay vehivavy maty teo noho eo, raha mbola nisy aina kely kosa ilay lehilahy teo am-pamonjena, saingy tsy tana izany noho ny ratra, raha ny fanazavana. Samy nentina teny amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha izy mivady ireo taorian’ny loza, fa ho an’ilay taksibe kosa dia tsy latsaky ny 8koa no naratra, fa tsy nisy ny aina nafoy.  Tsy fantatra mazava izay tena anton’ny loza, fa ny azo antoka aloha, dia nisy ny fandehanana mafy dia mafy tao raha tarafina amin’ny fahapotehana sy ny mety ho hamafin’ny fifandonana. Raha ny siosion-dresaka dia nisy moto nanapaka tampoka ihany koa tao anatin’ity loza ity ka fialana izany no nampidofotra ireo fiara, saingy tsy nisy ny tena afaka manamarina izany, ka dia andrasana ny valin’ny fanadihadiana manam-pahefana. Tena sesilany ny loza mahatsiravina nahafatesana olona tato anatin’ny 3 andro satria 28 no maty navadiky ny traktera tany akaikin’i Betsiaka akaikin’Ambilobe (RN5A) ny alarobia teo, fiara tsy mataho-dàlana iray lasa tany anaty hantsana tany Ankazobe afak’omaly, ka nirehitra ary maty sy may kila forehitra tao ny mpamily, ary iny omaly iny indray ny hafa. Mety nisy hafa koa tany ho any, fa ireny no fantatra.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT