Fifamoivoizana

Fitohanan’ny fiara eny Ambohibao Hivaha tsy ho ela ny olana


  • Alatsinainy 01 Oktobra 2018

Ankoatra an’Itaosy dia anisan’ny toerana be fitohanana indrindra sady mampitaraina ny maro ny fiakarana mihazo an’i Ambohibao raha handeha ho any Ivato.

Ora roa eo raha kely no lany  eny ambony fiara miampy ny hafanana. Nambaran’ny minisitry ny asa vaventy Atoa Andriantiana Ulrich ary fa hivaha tsy ho ela ny olana goavana sedrain’ny mponina eto an-drenivohitra. Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny an-toerana ny tenany ny faran’ny herinandro teo ka nanambarany ihany koa fa efa jeren’izy ireo akaiky ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato hahafahana miady amin’ny fitohanana. Ho an’ny lalana avy eny Ambohitrimanjaka, mihazo an’Ivato hatrany Anosiala dia fantatra fa noho ny tsy fetezan’ireo olona miala amin’ny taniny izay efa nanomezan’ny fitondram-panjakana tambiny azy ireo no mbola vato misakana kely tsy hahafahana manokatra ny lalana amin’ny fomba ofisialy. Efa am-pandaminana tanteraka ny minisiteran’ny asa vaventy mba tsy hisian’ny fitohanana lavarenibe eny Ambohibao isan’andro intsony. Mikasika ny amboteiazin’Itaosy manokana dia vao mainka nahazo vahana izany na dia mbola ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra aza ny mpianatra koa hangatahina amin’ny fanjakana ihany koa ny tokony hijereny azy akaiky.

Pati

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT