Fifamoivoizana

Ambanja Olona mihoatra ny 28 maty navadiky ny traktera


  • Zoma 28 Septambra 2018

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’Ambanja ny alarobia 26 septambra hariva teo.

 

 

 

 

 Traktera iray nitondra mpandeha maromaro no nivadika ka olona mihoatra ny 28 no namoy ny ainy, araka ny loharanom-baovao azo. Teo anelanelan’ny fokontanin’i Betsiaka sy ny mifandray aminy no voalaza fa nitrangany, toerana izay samy tsy misy fiara fitateram-bahoaka avokoa.  Vokatry ny lalan-dratsy no nampivadika ilay traktera. Nisy tamin’ireo mpandeha no maty teo no ho eo ary tany amin’ny hopitaly ny sasany. Ankoatra ity tranga mampalahelo ity dia fiara sprinter iray koa an’ny  lehiben’ny Faritra DIANA teo aloha no fantatra fa nivadika ka olona efatra no naratra mafy. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa moa ireto farany. Marihina fa vokatry ny tsy fisian’ny fiara fitateram-bahoaka tahaka izao amin’ny ankapobeny no hamoizana ain’olona matetika any ambanivohitra. Tafiditra tao anatin’izany ilay nitranga tany Anjozorobe izay nahafatesana olona am-polony nifatratra tao anaty kamiao taoriana. Antso avo no hatao amin’ny tompon’andraikitra mba hijery akaiky ireny karazana tranga ireny. Natao hikarakarana fambolena mantsy ny traktera fa tsy hitateran’olona.

Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT