Fifamoivoizana

Fialan-tsasatra hieren-doza Nametraka fepetra ny ATT


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Mifanindry amin’ny fialan-tsasatry ny mpianatra ireo zaikaben’ny fiangonana maro samihafa nohon’ireny fihemoran’ny fanadinana maro samihafa ireny.

 

 

Vita ny fanadinana bakalorea ary ho avy hifanindry an-dalana amin’ny fakàna fialan-tsasatra ny fanatanterahana ny JMJ Katolika any Mahajanga, ny fivorian’ny tanora loterana any Toliara ary ny famaranana ny faha-50 taonan’ny FJKM ho tanterahina eto Antananarivo. Araka izany dia olona marobe no hiala amin’ny toerana anankiray hamonjy izany  fivoriana maro isan-karazany izany. Izany no tsy maintsy nandraisan’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) fepetra manokana hanatanterahana sy handaminana ny fialan-tsasatra hieren-doza ary voakasika amin’izany avokoa na  ny mpamily, na ny mpandeha ary indrindra ireo mpivory sy mpiala sasatra. Voalohany dia  mila mahafantatra tsara ny mombamomba ny mpamily sy ny fiara horaisina ireo mpandeha alohan’ny hanaovana famandrihana hoy ny ATT ary fiara tena manara-dalàna mahay mametra tsara ny toerana tsy hihoatra ny tokony ho izy sy hanaja tanteraka ny fetra farany amin’ny fitondrana entana. Ankoatr’izay dia nanizingizina izy ireo fa tsy maintsy maka fahazoan-dalana manokana ny fiara rehetra mankany amin’ny lalana tsy falehany. Atao izany ho fitsinjovana raha sendra ny loza fa ialàna ihany koa amin’ny fahasahiranana amin’ny fanakanana mety ataon’ny polisy sy zandary. Nanamafy ihany koa ny ATT fa tokony hanaraka tsara ny fepetran’ny fifamoivozana ny mpamily mba hisorohana hatrany ny loza indrindra ny amin’ny tsy tokony handehanana mafy satria ny ankamaroan’ny loza hoy izy ireo dia noho izany fandehanana mafy izany avokoa.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT