Fifamoivoizana

Fampihenana ny lozam-pifamoivozana Hisy ny diabe am-pilaminana anio


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Misy ny hetsika izay karakarain’ny media project mitondra ny lohateny hoe “aok’izay ny loza” (stop accident) atao anio sabotsy 29 septambra manomboka amin’ny 9ora maraina hiainga etsy amin’ny Parvis lapan’ny fanatanjahan-tena Mahamasina.

 

 

 Fiara, moto, bisikileta eny hatramin’ny sarety sy posy na anatin’ny fikambanana sy koperativa na tsia na koperativa no entanin’izy ireo amin’izany.  Hanao dia be am-pahanginana  hiala eo Mahamasina izy ireo ka handalo Analakely sy Behoririka, hihazo an’Ankorondrano sy ny Marais Masay ary hiverina mankany Ankazomanga alohan’ny itodihany hiverenany any amin’ny fiaingany. Ny antony hahanginana dia ho fahatsiarovana ireo olona namoy ny ainy sy nahazo takaitra tamin’ny lozam-pifamoivozana teto amin’ny firenena. Nanambara ny mpikarakara fa tanjona ny anehoana fa afaka ahena ny tahan’ny lozam-pifamoivozana izay tena lasa mirongatra eto Madagasikara. Hisy moa ny fizarana torolalana momba ny fepetran’ny fifamoivozana ho fisorohana hatrany ny loza.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT