• Alakamisy 19 Aprily 2018
Fahasalamana.Aretina tazomoka Namono olona 4 sahady

Mbola mahazo vahana eto amintsika ihany ankehitriny ny aretina tazomoka na dia efa betsaka aza ireo vahaolana atolotry ny fitondram-panjakana ho fitandroana ny fahasalamam-bahoaka. Mbola nahatratra efatra indray mantsy ireo namoy ny ainy manerana ny Nosy ny volana Janoary sy Febroary lasa teo ka ny roa tamin’ireo dia tany amin’ny distrikan’Ihosy,

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 12 Aprily 2018
Fahasalamana.Mandidy olona sima sy vaky lanilany Mila vola hatramin’ny 1,9 tapitrisa ariary

Lafo dia lafo ny saran’ny fandidiana ireo olona sima na vaky lanilany, raha araka ny fanazavan’Atoa Vinay Ramjit, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny “operation smile”, omaly. Mahatratra 500 ka hatramin’ny 600 dolara na 1 923 000 ariary mantsy ny lela-vola ilaina amin’ny olona iray vao tafavoaka ny hôpitaly izy.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 11 Aprily 2018
Fahasalamana.Vovoka fotsy nanempotra mpianatra Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny Institut pasteur

Efa niverina amin’ny laoniny nanomboka omaly ny fampianarana eo anivon’ilay lisea iray nahitana vovo-javatra nanempotra mpianatra miisa 14 tany amin’ny distrikan’Arivonimamo ka voatery nampidirina hopitaly ireto farany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Aprily 2018
Fahasalamana.Ady amin’ny gripa sy ny kohoka Tokony ho tratry ny rivotra sy ny masoandro ny trano hipetrahana

Ao amin’ny trano hipetrahana, indrindra fa ny efitrano fatoriana no tena fototry ny fahasalaman’ny olona, hoy ny dokotera Fidy Bariniaina. Mihamahazo vahana ny gripa sy ny kohoka ankehitriny ka tokony hitandrina ny rehetra.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Aprily 2018
Fahasalamana.GRIPA Fotoana mampahazo vahana azy indray izao

Efa manomboka miditra miandalana mankany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina indray isika ankehitriny, fotoana tena fihetsehan’ireo aretin’ny taovam-pisefoana. Ankoatra ny kohoka dia mahazo vahana ihany koa ny gripa,

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 05 Aprily 2018
Fahasalamana.Hopitaly Befelatanana 200 isam-bolana ireo zaza tsy salama tsaboina ao

Mahatratra 200 isam-bolana amin’izao ireo zaza tsy salama tonga manatona ny hôpitaly etsy Befelatanana. Ankoatra ireo lasibatry ny aretin’ny homamiadana dia misy ihany koa ireo voan’ny tazo mahery, ireo teraka tsy tonga volana…

Hamaky ny tohiny
FTT