Fahasalamana

Zaza misy manary Misy raisin-dry masera, misy raisina fikambanana


  • Alatsinainy 06 Aogositra 2018

Nihanahazo vahana indray tato ho ato ny fanariana zaza teto amintsika.

 

Ankoatra ireo efa mamoy ny ainy dia misy ihany koa ireo velona soa aman-tsara ary nampanarahina taratasy toy ny nitranga teny Ambohimahavelona Soavinimerina ny zoma lasa teo. Noraisin’ny CSB II eny an-toerana ity zaza ity mba hokarakaraina aloha izay vao horaisin’ny fikambanana mpiahy ireo zaza kamboty na sahirana eny amin’ny faritra manodidina azy. Misy sokajy mantsy izy ireny amin’ny ankapobeny ka ho an’ireo ankizy vao teraka na am-bolana tahaka ireny dia ny fikambanan-dry masera no fantatra fa tena mandray an-tanana azy ireny. Ho an’ireo ankizy efa lehibebe kosa manomboka amin’ny roa taona, ohatra, dia ireo fikambanana nahazo alalana avy amin’ny minisiteran’ny mponina no mandray an-tanana azy avy hatrany, raha araka ny resaka nifanaovana tamina lehibena fikambanana mpitaiza zaza kamboty sy sahirana iray.  Ilay fikambanana miaraka amin’ny fitsarana aorian’izay no mikarakara ny kopia mari-pahaterahan’ilay zaza sy ny mombamomba azy ka any amin’ny minisiteran’ny mponina no manao fangatahana ireo izay maniry ny hanangana azy ireny ho zanany. Ho an’ny fokontany eny ifotony ahitana ireny trangan-javatra ireny moa dia fantatra fa mijanona eo amin’ny fiantsoana ny BMH sy ny mpitandro ny filaminana ny andraikitry ny fokontany, indrindra raha sanatria ka efa mamoy ny ainy ilay tsy manan-tsiny. Anjaran’ny mpitandro ny filaminana kosa aorian’izay ny manao ny famotorana sy mikaroka ilay nahavanon-doza raha ny fikambanana mandray an-tanana sy ilay zaza sy ny minisiteran’ny mponina no miadidy azy farany.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT