Fahasalamana

Fitsaboana eto An-drenvohitra Paosin-dra 140 isan’andro no ilaina


  • Alatsinainy 23 Jolay 2018

Mitombo hatrany ny filàn-dra eto amintsika, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Tsy ampy intsony ilay paosin-drà 120 isa isan’andro teo aloha.

 
Efa mananika ny 140 paosy mantsy izany, raha araka ny fantatra, ka ireo olona marary mafy mila fandidiana maika sy ireo vehivavy saro-piterahana no tena mila izany. Hatreto anefa dia vao ny 15 %-n’ny mponina eto an-drenivohitra ihany raha betsaka no manana ilay finiavana hanome rà maimaim-poana ny mpiara-belona, antony nanosika ny Airtel hanome rà maimaim-poana hamatsiana ireo marary eny amin’ny hôpitaly. Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahany izany  notronin’ireo mpiasa marobe, notarihin’Atoa Maixent Bekangba, tale jeneralin’ny Airtel. Tanjon’izy ireo amin’izany ny mba hahafahana manolo-tanana ireo mpiara-belona mila rà maika, indrindra fa ireo sahirana arapivelomana. Tsiahivina moa fa  raha mila paosin-drà iray ny marary  iray  mila fandidiana maika dia paosin-drà roa no takalon’izany  ho an’ny foibe fitehirizan-drà etsy amin’ny hôpitaly HJRA. Olona salama tsara, tsy misy aretina, tsy mampinono, tsy tonga fadim-bolana no azo alaina rà.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT