Fahasalamana

Homamiadan’ny aty na Hepatita Ny 23 %-n’ny Malagasy no voany


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Areti-mandoza iray miteraka ny 80%-n’ny homamiadana mpahazo ny aty ny hepatita B. Aretina azo avy amin’ny virus de l’hepatite B izy io.

Karazany telo no mety hahazoana azy dia ny fanomezan-dra na avy amin’ny alalan’ilay fitaovana izay tsy voadio ( fanjaitra…), ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy voaaro ary ny fifindran’ny reny amin’ny zaza ao am-bohoka na koa amin’ny alalan’ny rononony. Ny 23 %-n’ny Malagasy no fantatra fa voan’ity aretina ity ankehitriny. Ny 90 %-n’ireo olona mitondra azy anefa dia toy ny olona salama rehetra ihany fa ny 10 % monja no mahatsapa ho manavinavy hafahafa. Any ambanivohitra no tena betsaka olona voan’ny Hepatita B raha 5 % ny eto an-drenivohitra. Noho ny tsy fanaovana vaksiny sy ny tsy fanajana ny fepetra hiparitahan’ny aretina any ambanivohitra no antony. Marihina fa tena midangana ny saram-pitsaboana ny aretina Hepatita B. Mahatratra 48 tapitrisa Ar ny vola ilaina. Tafiditra ao ny fanafody hanina mandritra ny taona iray, ny karazany hanina mandramaty. Azo sorohina tsara anefa ny aretina. Anisan’ireny ny fanaovana vaksiny izay manodidina ny 80.000 Ar ny iray saingy tsy maintsy miisa telo ny indray atao, mety avokoa na dia ho an’ireo zaza vao teraka aza. Misy karazany telo ny hepatita toy ny hepatita A, B, C saingy ny B no tena mamono olona betsaka. Hankalazaina anio sabotsy 28 jolay ny andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina Hepatita.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

  • DISTRIKAN'ARIVONIMAMO
  • Talata 31 Martsa 2026

Raikitra ny fanaovam-baksiny iadiana amin'ny Mpox

  • Nana anaty avokavoka
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

Mila tolotanana i Finaritra kely

Hijery ny tohiny
FTT