Fahasalamana

Fikarakarana ny fahasalamana Mila manatona mpitsabo in-droa isan-taona


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

In-droa isan-taona ny olona iray no tokony hijery ny toe-pahasalamany eny anivon’ny tobim-pitsaboana na dia salama tsy marofy aza. Betsaka anefa ireo tsy manana fahafahana ny hanao izany noho ny hasarotan’ny fiainana,

 antony manosika ny “Espace médicale Saint Michel Andravoahangy” hanatanteraka fitsaboana maimaimpoana ho an’ny daholobe.  Manomboka amin’ny alatsinainy ho avy izao izy io, haharitra dimy andro ao anatin’ilay hetsika “Tsy mandrimandry manana aretina”. Hojerena maimaimpoana avokoa ireo karazan’aretina mpahazo ny olon-drehetra, manomboka any  amin’ny zazakely ka hatrany amin’ny reny mitondra vohoka sy ny zokiolona, hoy ny dokotera Rakotondratrema Hary, médecin chef ao an-toerana. Olona manodidina ny 50 isan’andro no andrasan’ity tobim-pitsaboana iray ity ankoatra ireo marariny efa mahazatra. Mivoha manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny alahady ny toby. Mandray marary amin’ny alina  ihany koa sady afaka mandray an-tanana ireo marary  tsy maintsy miditra hopitaly.  Efa manana  fitaovana hijerena maso ihany koa izy ireo ankehitriny, ankoatra ny ECG sy ny fanaovana échographie.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT