Fahasalamana

Didimpoitra foibe Tsy misy resaka politika, hoy ny delegen’ny boriborintany faharoa


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Ankizy miisa 50 no vita didimpoitra faobe maimaimpoana tetsy amin’ny firaisana faharoa Ambanidia ny sabotsy teo. 2 taona ny zandriny indrindra ary 6 taona no zokiny.

Tafiditra ao anatin’ny  fokontany 24 avokoa moa izy ireo, raha ny fanazavana. Nanokatra ny hetsika sy nitarika izany  ny delegen’ny boriborintany faharoa, Jacques Razafindraibe sy ireo mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo avy ao amin’ny boriborintany faharoa ary ireo mpiara-miasa aminy. Ny tanjona amin’izao hetsika izao, hoy ny Delege dia ny fitsijovana sy ny fanalana ny fasahiranan’ny vahoaka ary tsy misy resaka politika fa ny  fijerena ny sosialim-bahoaka  no laharam-pahamehana araka ny vinan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Ity delege ity moa izay vao avy nandalo savorovoro tamin’ireo mpiara-miasa noho ny resaka fifampitondrana, volana vitsivitsy lasa izay. Dokotera 2 avy any Anjohy miaraka amin’ny ekipan’ny CSBII Volosarika  no nanatanteraka ny fandidiana ary ezaka avy ao amin’ny boriborintany faharoa sy tohana avy amin’ny malala-tanana no nanatontosana ny hetsika, hoy hatrany ny delege.

J. Mirija


.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT