Fahasalamana

Hopitalim-panjakana Mila 200 000 Ar farafahakeliny


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Mampitaraina fatratra ny olon-drehetra ny fitsaboan-tena eny anivon’ny hopitaly ankehitriny, indrindra raha tojo aretina sy tratry ny loza tampoka.

 

 Raha ny fanadihadiana natao tamina raim-pianakaviana iray tratry ny lozam-pifamoivoizana nentina tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha dia nahatratra 2 hetsy Ar ny vola laniny tapak’andro mahery monja. Tao ny fitarafana tsy maintsy natao tamin’ilay tanany voalaza fa tapaka, ny fanjairana ny vaky tamin’ny handriny, ny vidim-panafody, ny seraoma tsy maintsy napetaka taminy. Fa betsaka lavitra noho izany ny vola lanin’ireo mpiteraka eny anivon’ny hopitalim-panjakana, antony mahatonga ny sasany hisafidy avy hatrany ny hopitaly tsy miankina. Nahatratra 1 tapitrisa Ar mantsy ny vola lanina renim-pianakaviana iray nijoro vavolombelona niteraka teny Atsimondrano teny ka nodidiana. 2 hetsy Ar no vidim-panafody nalaina taminy, 1 hetsy Ar kosa ny hofan’ny trano fandidiana. Manginy fotsiny ny hofan-trano izay manomboka amin’ny 10.000 Ar ka hatramin’ny 30.000 Ar isan’andro miankina amin’ny sokajiny, ny vola nomena ilay anésthesiste, ny dokotera mpandidy eny hatramin’ny mpamafa trano … Maty raha vao tsy manam-bola ka miditra hopitaly, hoy ny ankamaroan’ny olona nanaovana fanadihadiana ka anaovana antso avo amin’ny fitondram-panjakana. Amin’ny ankapobeny anefa dia ny fitsaboan-tena raha tojo tsy fahasalamana, ny sakafo hanina ary ny asa no tena maha olona ny olona iray.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT