“Hifankalala isika rehetra. Hifampihaino koa ny amin’ny tokony
hampandrosoana ny tanindrazana iombonana ka hisy ny fakan-kevitra amin’izany mba hijerena ny vahaolana satria anisan’ireo kaominina tara raha mitaha amin’ny hafa ny ao an-toerana. Samy nanao teo daholo ihany ireo nitantana rehetra saingy voafetra ihany izany noho ny antony maro ka efa fotoany izao ” hoy ny zanak’i Mandrosoa Andramasina izay hifamotoana eny amin’ny Park Sisaony, Ambatofotsy ny zanaky ny kaominina Mandrosoa Andramasina, ny alahady 29 novambra izao. Araka ny nambaran` ireo mpitantana sy mpikarakara tamin` ny mpanao gazety omaly dia manana ny vato nasondrotry ny tany, misehatra amin’ny asa samihafa sy manana andraikitra ambony ny ankamaroan’ny ao Mandrosoa ary miely patrana hatrany ivelany rehetra any izany. Anisan’ny olana any an-toerana ny haratsian’ny lalana. Eo koa ny fahasahiran’ny tantsaha eo amin’ny seha-pihariana : Fambolena sy fiompiana ary asa tanana… lalam-bola sy lalam-barotra amin’izany. Ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, toy ny herinaratra… Araka izany, hanentanana sy hiantso ireo zanak’io kaominina io ny mpikarakara. “Antony hamondronana ny hery izany. Ny tsy mahay sobika, mahay fatam-bary”, hoy ihany izy ireo. Tsiahivina fa hifamindran-dalana amin’izany fihaonamben izany koa ny hetsika ara-kolontsaina sy fialamboly amin’ny maha mpanatalenta sy mpahay kanto ny zanaky ny ao Mandrosoa Andramasina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.