tolom-bahoaka izao zava-miseho izao"
Loa-bava ny mpanara-baovao manolona ny trangan-javatra miseho eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Raha ny fanehoan-kevitry Dr John dia "miverina mahazo laka ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny forongon-dRajoelina". Izao zava-misy izao, hoy izy dia "fandatsana ny tolom-bahoaka natao ny taona 2025". Nahatratra 22 ireo olona maty tamin’iny tolona iny raha ny tatitry ny Firenena Mikambana. Ireo solombavambahoaka ireo ihany koa dia fantatra fa lany tamin’ny fomba tsy ara-dalana tamin’ny fitondrana teo aloha. Niaraha-nahita fa avy tamin’ny vondrona IRMAR izy ireo no niofo ho VFM, izay milaza ho manohana ny Fanavaozana. Raha ny nitranga tao amin’ny Antenimieram-pirenena dia iza no tsy nahalala fa olon'ny tolona 2025 ny filoha teo aloha Siteny Randrianasoloniaiko, hoy i Dr John, kanefa dia nahongan’ireo forongon-dRajoelina ary tsy hijanona io fa mety hiitatra hatrany amin’ny fanovana Governemanta ho fampiharana ny andininy faha-54 ao amin’ny lalampanorenana. Efa ambarany rahateo fa maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena izy ireo. Ny lojikan'izay dia hanolotra Praiminisitra, handrafitra Governemanta vaovao ary hikarakara ny fampodiana an-dRajoelina satria izay no iraka. Ho sahirana amin'io PRRM satria efa io hitantsika io ny zava-misy ka izany no hilazana fa toa very maina ny rà sy ny ain’ireo nitolona tamin’ny taona 2025. Tranga efa niseho tamin’ny raharaha 73 depiote izay niafara tamin’ny fandresen’i Andry Rajoelina. Na niara-nitolona aza ny 73 Depiote nampidaraboka ny fitondrana Rajaonarimampianina dia ny filohan’ny TIM no lasibatra, niharan’ny antsojay rehefa nitety an’i Madagasikara. Olona efa fantatra avokoa ireo depiote VFM ireo ka na milaza ho manohana ny Fanavaozana aza dia tsy hisy hino fa ireo efa naongana no hitondra fanavaozana. Raha ny fanehoan-kevitry Dr John ihany moa dia mangataka ny fandravana ny Antenimieram-pirenena, aorian’ny fahavitan’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny teti-bola ho an'ny taona 2027. Namafisiny fa mbola tsy vita ny tolona satria ireo nesorina indray no tonga eo amin’ny fibaikoana. Mikasika ny trangan-javatra niseho tao Antsirabe ny 14 novambra 2026 dia rariny, raha ny fahitan'i Dr John azy saingy re fa nisy olona efa nivonona ny hanararaotra sy mody nafana fo nanohana ny hetsika nefa niketrika fanakorontanana ny fanjakana Fanavaozana. Araka izany dia mila mandray fanapahan-kevitra haingana sy matotra ny filohan’ny Fanavaozana manoloana izao tranga miseho eto Madagasikara izao.
Nangonin'i Jean D.
Dr John
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.