Fotoanany izao ary miparitaka ao Mahajanga ny vokatra lodsia. Manodidina ny
2000 ka hatramin’ny 3000 ariary ny kilaon’izy ity ao an-toerana ankehitriny. Tsikaritra isan-taona fa isan’ny voankazo mandoto tanana moa izy itony ary mba hisorohana izany indrindra dia mampitandrina amin’izay fahadiovan’ny tanana izay ireo manampahefana ao an-toerana. Manentana ny rehetra ihany koa izy ireo mba ho tompon’andraikitra amin’izay fitandroana ny fahadiovan’ny tanana izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.