Mahafinaritra

Fampitomboana ny voka-bary Nahitam-bokany ny tetikasa PAPRIZ


  • Zoma 20 Novambra 2020

Nahatratra 4.680.630 taonina ny voka-bary teto Madagasikara tamin’ity taona 2020

 

ity raha 3.722.304 izany tamin’ny taona 2015, raha ny tatitry ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono (MAEP). Anisan’ny nandray anjara lehibe tamin’izany fampiakarana ny famokarana izany ny PAPRIZ, tetikasan’ny MAEP tohana’ny JICA fandaharan’asa Japoney, izay manatsara ny famokaram-bary sy ny fitantanana ny sahandriaka sy ny lemaka voatondraka. Faritra 11 no niasan’ny Papriz 2 ka: mpamokatra tantanim-pianakaviana 27 490 no nisitraka fiofanana avy amin’ny Papriz; 143 lasa mpampiofana PAPRIZ; 1607 ny tantsaha mpampiofana PAPRIZ; 9 no mpiara-miasa amin’ny tetikasa eo anivon’ny MAEP. Hihitatra amin’ireo Faritra 22 ny tetikasa amin’ny andiany fahatelo, hoy ny Talen’ny Fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra nandritra ny famaranana ny tetikasa Papriz 2 ny alarobia 18 novambra 2020 tao amin’ny Hotel Colbert.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Mahafinaritra

  • Mahafinaritra
  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Toky sy Rosamine Nifanaiky hoe “eny”

  • Mahafinaritra
  • Talata 24 Novambra 2020

Mpanakanto Jha’s Miantso ny rehetra tsy ho kivy

  • Mahafinaritra
  • Talata 24 Novambra 2020

Mahajanga Manomboka miparitaka ny lodsia

  • Mahafinaritra
  • Zoma 20 Novambra 2020

FITRAMA SY HAFARI Hanao fampihavanam-pirenena …

Hijery ny tohiny
FTT