Tsy afaka mifanongana
ny PRRM sy ny antenimiera…
Mafana ny adihevitra politika teo anatrehan’ny sary vaovao nitranga tetsy Tsimbazaza, izay nisian’ny fanonganana ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha noho ny fiampangana samihafa sy ny nifidianana Filohan’ny Antenimierampirenena vaovao. Mandeha ny karazana fandikana samihafa hoe : rehefa tsy handrava io andrim-panjakana io ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael eo anatrehan’ireo IRMAR niofo ho VFM izay mitondra ny baolina ao Tsimbazaza amin’izao fotoana izao dia izy indray no haongan’ireo amin’ny alalan’ny « empêchement ». Izay mety ho fitsimbadihana tampoka ara-politika no tsy hay, fa raha ara-teknika sy ny resaka lalàna aloha dia sarotra ny hisian’izay satria tsy afaka mifanongana ireo raha amin’izao vanim-potoana izao. Raha hiverenenana, isan’ny voaresaka nandritra ny tolona tamin’ny septambra-oktobra 2025 ny fandravana ireo rafitra samihafa toy ny HCC, CENI, Antenimierampirenena,… Rehefa tonga ny Fanjakana miaramila izay nanao fanambarana teny Ambohitsorohitra ny 11 oktobra 2025, dia niresaka ny fandravana ireo rafitra sasany. Nihazakazaka ny toe-draharaha rehefa nitsoaka i Andry Rajoelina, nohamarinin’ny HCC ny fahabangana, ka niantsoana sy nangatahana hitondra ny Fanjakana ny Kolonely Randrianirina Michael. Nametraka karazana arofanina ambadika mba tsy hisian’ny fahabangana goavana ny HCC, ary nisoroka ny mety ho fifampitrongisana ara-politika, ka nametraka mazava tao anatin’ny fanapahana tamin’ny fametrahana ny fanavaozana, fa tsy misy ny fanonganana ny Filoham-panjakana (empêchement), tsy misy fitsipaham-pitokisana ny governemanta (motion de censure), tsy misy fandravana ny antenimierampirenena. Ny fanapahana N° 10/HCC-D3 tamin’ny 14 oktobra 2025 no mamaritra an’io, izay manipika ny voalazan’ny amin'ny andininy faha-53 tapany faharoa fa tsy azo ampiharina amin'izao fotoana misy antsika izao ny andininy faha 60, 100, 103,... Mifameno amin’ny namindran’ny HCC ny fahefahana ho amin'i Kolonely Michaël Randrianirina rehefa nohamarinina ny fahabangan-toeran’ny Filohan’ny Repoblika. Ara-politika, kazaran’ny nametraka arofanina ka nampihatra ilay anjara toerana hoe miantoka fitoniana na « garant de la stabilité » ny HCC tao anatin’io. Raha io sary io, tsy afaka manongana ny PRRM ny etsy Tsimbazaza, ary tsy afaka mikitika ny etsy Tsimbazaza ny etsy Iavoloha. Andaniny, hangataka fanovana Praiminisitra ny antoko na vondrona antoko maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena no manolotra ny anarana hotendren’ny Filoham-panjakana ? Hisy fikitihana governemanta taorian’ny fiovana tetsy Tsimbazaza ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.