Noteren-dRajoelina ho «
belladone » sy « datura » ny faty olona 35
Niato aloha izany iny ilay raharaha Ambohimalaza fa hiditra amin'ny antsoina hoe fialantsasatra ara-pitsaràna na "vacance judiciaire" isika, raha ny nambaran'ny filohan'ny fitsaràna izay raharaha izay omaly tetsy Anosy. 7 andro katroka no nanarahana mivantana teny an-toerana sy tamin'ny haino aman-jerim-panjakàna ny raharaha ary andrasana, araka izany, ny ho tohiny. Isan'ny niverimberina matetika teny am-bavan'ny mpanara-baovao ny fanontaniana hoe "dia inona izany no nidiran'ny "belladone" sy "datura" tao anatin'ity raharaha nahafatesan'olona miisa 35 teny Ambohimalaza ny 14 jona 2025 ity?". Ny volana jolay, raha tsiahivina, no nilaza ny filoham-pirenena tamin'izany fotoana, Andry Rajoelina, fa ireo zava-maniry manampoizina miisa 2 ireo no nahafaty ireo tanora nanatrika ity tsingerintaona mainty ity. Fotoana izay nifanandrify ihany koa tamin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC na ny Vondrom-barotra iraisampirenena aty atsimon'ny Afrika ny aogositra 2025. Heverina, noho izany, fa nety nanahirana teo amin'ny lafiny ara-diplaomatika ihany ny filazàna fa fanapoizinana na fahapoizinana ara-tsakafo toy ilay nalaza hoe "botulisme" no nahatonga iny fahafatesana tanora maro iny. Izay no nanerena azy ho « belladone » sy « datura » mba tsy hananan’ny vahiny ahiahy ho avy teto Madagasikara ? Andrasana ny tohin'ny raharaha!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.