Mahafinaritra

Evan Sedera , 15 taona Hilalao ao amin’ny LOSC FC any Frantsa


  • Zoma 20 Novambra 2020

Vita soamantsara ny fanaovan-tsonian'i Evan Sedera sy ny Lille (LOSC) Klioba Frantsay.

 

 


 Zanaka Malagasy i Sedera araka ny anarany, ary vao 15 taona monja. Ao anatin'ny 2 taona sy tapany ny fifanarahany amin’ity klioba anisan’ny goavana ao Frantsa ity. Vodilaharana no toerana misy azy. Mety ho isan’ireo mpilalao tanora handrafitra ny Barean’i Madagasikara, tahaka an’i Mathyas Randriamamy izay vao 16 taona monja i Evan Sedera, izay manomboka malaza sy fantatry ny Malagasy satria efa miely eny amin’ny tambajotran-tserasera ny fisiany amin’izao fotoana izao. Ho isan’ny mpilalao arahin’ny mpitia kitra maso akaiky izany i Sedera manomboka izao, ary hitombo ihany koa ny Malagasy hanohana ny Klioban’ny LOSC FC.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Mahafinaritra

  • Mahafinaritra
  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Toky sy Rosamine Nifanaiky hoe “eny”

  • Mahafinaritra
  • Talata 24 Novambra 2020

Mpanakanto Jha’s Miantso ny rehetra tsy ho kivy

  • Mahafinaritra
  • Talata 24 Novambra 2020

Mahajanga Manomboka miparitaka ny lodsia

  • Mahafinaritra
  • Zoma 20 Novambra 2020

FITRAMA SY HAFARI Hanao fampihavanam-pirenena …

Hijery ny tohiny
FTT