Mahafinaritra

Toky sy Rosamine Nifanaiky hoe “eny”


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Tontosa ny sabotsy 14 may 2022 teo ny fanamasinana ny fanambadian’i Rafalimanana Tokinirina na Toky Rafalimanana, namana mpanao gazety miandraikitra ny politika eto amin’ny gazety Tia tanindrazana, sy Rafanjanirina Todisoa Rosamine, vadiny.

Araka izany dia nifanaiky hoe “eny” teo anatrehan’Andriamanitra sy ny fiangonana ary ireo vavolombelona nanatrika izany tetsy amin’ny Chapelle militaire Ampahibe i Toky sy Rosamine fa hivady mandra-maty. Ny teny nalaina tao amin’ny Baiboly, Hosea 2:21a manao hoe “Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao.” moa no nofidian’izy mivady ho teny filamatra hanorenany ny tokantranony. Mirary azy roa hahavanona tokantrano soa arahin-jazalahy sy zazavavy araka izany ny eto amin’ny gazety Tia tanindrazana sy ny ekipan’ny vondron’orinasa Vidy varotra iray manontolo.
Legende : Toky sy Rose avy nifanaiky hoe “eny” ny sabotsy teo
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Mahafinaritra

  • Mahafinaritra
  • Talata 24 Novambra 2020

Mpanakanto Jha’s Miantso ny rehetra tsy ho kivy

  • Mahafinaritra
  • Talata 24 Novambra 2020

Mahajanga Manomboka miparitaka ny lodsia

  • Mahafinaritra
  • Zoma 20 Novambra 2020

FITRAMA SY HAFARI Hanao fampihavanam-pirenena …

Hijery ny tohiny
FTT