Mahafinaritra

Mpanakanto Jha’s Miantso ny rehetra tsy ho kivy


  • Talata 24 Novambra 2020

Telo taona teo izay no niditra tamin’ny sehatry ny hira sy mozika i Jha’s. Amytach

 

 

moa no tena anarany fa anaram-bositra fahazaza ka notazominy mandrak’izao io. Ankoatra ny talenta dia famaliana babena ny ray aman-dreny ho azy ny fanaovana mozika, hoy izy. Isan’ny fanirian’i mamanay ny ahatonga ahy ho lasa mpanao mozika ka izao tanteraka izao. Ny mozika mafana toy ny «Afro Beat» sy «Reggae» no isany iangaliany. Efa miisa dimy ireo kanto vita rakipeo ary rakitsariny malaza miodina any amin’ny haino aman-jery moa izao ilay hoe «Tsy kivy». Tanjoko, hoy izy, ny mba ho reharehan’I Nosy be eo amin’ny lafin’ny kanto. Voiziny anaty tononkira kosa ny mba hananan’ireo tanora fanantenana amin’ny fiainana. Fialamboly ny mozika saingy fotoana izao, hoy izy, hidirana eo amin’ny sehatry ny maha matihanina eo amin’ity zavakanto iray ity. Misokatra amin’ny olon-drehetra eo anivon’ny kanto ny fiaraha-miasako, hoy izy. Tsy mila kivy isika na inona miseho, hoy izy, ary hanasako anareo hijery sy hihaino ny sanganasako mitondra ny lohanteny hoe “Tsy Kivy”, izay rakitsary notontosain’I Sylvano Ratsimandresy, izany fa any ny hafatra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Mahafinaritra

  • Mahafinaritra
  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Toky sy Rosamine Nifanaiky hoe “eny”

  • Mahafinaritra
  • Talata 24 Novambra 2020

Mahajanga Manomboka miparitaka ny lodsia

  • Mahafinaritra
  • Zoma 20 Novambra 2020

FITRAMA SY HAFARI Hanao fampihavanam-pirenena …

Hijery ny tohiny
FTT