Sambany no hisy hetsika fambolen-kazo faobe haharitra 5 andro eto amintsika
no sady manana endrika fampihavanam-pirenena . Ny tale jeneralin’ny orinasa Mpitsabo Malagasy FITRAMA sady filoha nasionalin’ny fikambanana Hafari Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina no hitarika izany ka antsoiny hanatrika izany avokoa na ny mpitondra ankehitriny na ny mpanohitra. Toraka izany koa ny mpitondra fivavahana, ny skoto, ny fikambanana maro samihafa. Eny PK 67, Soaniedanana lalam-pirenena fahaefatra no hanatanterahana izany manomboka ny 26 desambra ka hatramin’ny 30 desambra ho avy izao no sady fotoana hanaovana filasiana ihany koa. Zana-kazo 10.000 isa hatreto no efa nomanin’ity filoha nasionalin’ny fikambanana Hafari Malagasy ity saingy mbola hanaovany antso avo amin’ny Ministeran’ny tontolo sy ny fikambanana maro samihafa ny fifanomezan-tanana amin’izany. Anisan’ny ho betsaka indrindra amin’ireo hazo hovolena ny ravintsara, ny andramena, ny mandrava sarotra izay saika karazana hazo sarobidy hanaovana fanafody ho lovain’ny taranaka faramandimby avokoa ankoatra ny kininina sy ny sapin. Amin-dRafanomezantsoa Jean Nirina mantsy dia tsy ny volabe any amin’ny banky no tena zava-dehibe fa ny fahafahana mamela lova holovain’ny taranaka faramandimby toy izao hetsika fambolen-kazo goavam-be hotontosainy izao. Hiantoka vary 1 taonina sy omby iray izy mandritra izany mba hatao sakafo ho an’ireo olona rehetra ho avy hanohana ny hetsika. Nomarihiny manokana moa fa misy ny trano hatoriana saingy tsy maintsy mitondra kidoro kosa ireo mpizaika. Aorian’ny fambolena ireo zana-kazo rehetra dia hisy ny fanondrahana sy fikarakarana izany mba hahafaty azy. Anisan’ny tanjon’ny mpikarakara ny mba hahafahana mandray anjara manoloana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahapotehan’ny tontolo iainana izay mahazo vahana ankehitriny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.