Tsy misy “concours” toy ny teo aloha amin’ity taom-pianarana vaovao 2020-
2021 ity ny fidirana eo anivon’ny sekoly ambony “Institut Superieur polytechnique de Madagascar” eny Antsobolo. Noho ny mbola fisian’ny valan’aretina COVID 19 ka tsy hahafahana manangona olona maro no anton’izany fanapahan-kevitra noraisin’ny filan-kevitra izany raha araka ny fanazavan-dRtoa Razafindrahety Aimée, tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly. Amin’ny alalan’ny fifantenana ny antontan-taratasin’ny mpianatra araka izany no handraisana azy ireny ka ankoatra ireo antontan-taratasy rehetra notakiana hatramin’izay dia ny relevé de note-n’ny mpianatra no hangatahin’ny sekoly na koa ny gazety manamarina ny nahafahany ny fanadinana Bakalorea. Amin’ny 17 desambra ho avy izao no hiditra ny sekoly raha hatramin’ny 27 Novambra kosa ny fandraisana ny antontan-taratasy izay hitohy hatramin’ny 05 desambra alohan’ny hamoahana ny anaran’ireo ankizy horaisina. Nomarihiny manokana moa fa nafaha-po ny taham-pahafaham-panadinana bakalorea teto amintsika farany teo satria nahatratra 50 % izany. Manaporofo izany hoy izy fa tia fianarana ny tanora Malagasy ary tsy tokony hijanona hatreo fa hiezaka hatrany. Tsiahivina moa fa efa nahatratra 3.500 ireo injeniera efa navoakan’ny sekoly ambony ISPM tao anatin’izay 27 taona nijoroany izay. Nanao ny fampianarana tamin’ny alalan’ny tambazotra hatrany moa ny sekoly nandritra ny hamehana koa raha sanatria mbola misy izany dia vonona hatrany izy ireo ny hanohy izany hiady amin’ny taona fotsy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.