Mivoatra ny sarimihetsika Malagasy na dia mbola misy tsy fahatomombanana
aza any amin’ny lafiny fitaovana ary hita ho misy fiantraikany any amin’ny lafiny fanatontosana izany, hoy ny mpilalao tao amin’ilay andian-tantara “Farakely”, Fenoarisoa Ravelonandrianina na Andrianina Ravel, fantatra tamin’ny anarana hoe Nicole tao anatin’ity tantara mitohy ity. Rehefa tena trandrahana koa ireo mpilalao dia tsikaritra fa mbola afaka manome mihoatra ny efa hainy. Io no hitako tena herin’ny sarimihetsika Malagasy na dia eo aza ilay tsy fahatomombanana kely eo amin’ny tekinika. Tsy ho ela moa dia hivoaka indray ny andian-tantara na Novegasy vaovao iaraha-miasa amin’ny Canal + izay ahitana andiany miisa 100 raha toa ka 60 ilay farany teo, raha ny fanazavany hatrany. Raha 4 volana teo ho eo no nanantosana azy iny dia mety haharitra 6 volana kosa ity manaraka ity, hoy hatrany izy. Nampanantena ny tenany fa hahitana fivoarana maro mihoatra izay efa vita izay ity andian-tantara manaraka ity ary mbola ho isan’ireo mpilalao ao anatiny moa ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.