- Talata 09 Martsa 2010
Sport.Afrobasket Men 2011
Ny 17 martsa no hamantarana ny mpampiantrano
Hamaky ny tohinyNy 17 martsa no hamantarana ny mpampiantrano
Hamaky ny tohinyNotontosaina ny sabotsy teo tetsy amin’ny efitrano kelin’ny lapan’ny fanatanjahantena ny fifaninanana sivana farany namaritana ireo mpilalao roa senior lehilahy hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany isan-tarika hatao any Moscou ny 23-30 mey izao.
Hamaky ny tohinyNiatrika ny lalao fitsapana faharoa ny Barea omaly nihaona tamin’ny ASCUM, ekipan’ny Kaominina Mahajanga, tao amin’ny kianja Rabemananjara, tafiditra amin’ny fanomanana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika andiany faha-2 (CHAN) izay hihaonan’ny Barean’i Madagasikara amin’ny Palanças Negras avy any Angola ny 14 martsa izao any Mahajanga ihany.
Hamaky ny tohinyTonga nitsidika an-dRaharison Stanislas (Talas) teny amin’ny hopitaly Befeletanana omaly tolakandro ny minisitry ny fanatanjahantena Ramamonjisoa Virapin nitondra fanampiana taorian’ny tsy maintsy nanapahana ny tongotra (lohalika noho midina) havanan’ity kintan’ny lavalava fahiny ity noho ny fitaran’ny fery satria voan’ny diabeta ny lehilahy.
Hamaky ny tohinyNotontosaina ny alarobia teo tetsy amin’ny kianjan’ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary ireo lalao manasa-dalana ho an’ireo sokajy U20 sy U18 zazalahy izay hany sisa tsy vita entina hamaritana ireo hiatrika ny famaranaa hatao ny faran’ny herinandro izao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.
Hamaky ny tohinyTaorian’ny “Taxi Foot” dia ny “Inter-cooperatives” ho an’ireo taxi-be indray no malaza. Hotontosaina ny alahady izao etsy Mahamasina ny lalao famaranana sy ny fiadian-toerana laharana fahatelo amin’ilay fifaninanana “Tournoi Firaisankina Inter-Cooperatives” izay karakarain’ny koperativa Cotral mitrandraka ny zotra 129 mankeny Ambohipo.
Hamaky ny tohiny