Notontosaina ny alarobia teo tetsy amin’ny kianjan’ny Toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary ireo lalao manasa-dalana ho an’ireo sokajy U20 sy U18 zazalahy izay hany sisa tsy vita entina hamaritana ireo hiatrika ny famaranaa hatao ny faran’ny herinandro izao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina.
Marihina mantsy fa efa saika fantatra avokoa ireo tarika rehetra isan-tsokajiny hiatrika ny famaranana amin’ireo sokajy hafa. Raha ny vokatry ny lalao natao afakomaly dia ny Chalenger sy ny SOE no tafita hiady ny famaranana teo amin’ny sokajy U20 zazalahy ary ny Asa sy ny Ast teo amin’ny U18 zazalahy. Toy izao ny voka-dalao teo amin’ny manasa-dalan’ny U20 zazalahy : ny Challenger nampiondrika ny SMBC tamin’ny isa 77-69 ary ny Stade nandavo ny BCS tamin’ny isa 109-68. Vokatra teo amin’ny ankatoky ny famaranan’ny sokajy U18 zazalahy kosa dia ny Asa nandresy ny FBC avy eny Avaradrano tamin’ny isa 78-60 ary ny AST nanilika an’ny CAI Ambalavao Isotry tamin’ny isa tery dia tery 78-76. Ny sabotsy sy alahady izao izany no hanatontosana ireo lalao famaranana rehetra amin’ireo sokajy samihafa miainga avy any amin’ny U12 hatrany amin’ny senior lahy sy vavy amin’ity fifaninanana «Big tournament» izay karakarain’ny fikambanana «Amis du basket-ball» ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.