Sport

Minisiteran’ny fanatanjahantena Nanampy fanindroany an’i Talas


  • Alatsinainy 08 Martsa 2010

Tonga nitsidika an-dRaharison Stanislas (Talas) teny amin’ny hopitaly Befeletanana omaly tolakandro ny minisitry ny fanatanjahantena Ramamonjisoa Virapin nitondra fanampiana taorian’ny tsy maintsy nanapahana ny tongotra (lohalika noho midina) havanan’ity kintan’ny lavalava fahiny ity noho ny fitaran’ny fery satria voan’ny diabeta ny lehilahy.

Ny zoma hariva teo no nanaovana ny fandidiana. Tsiahivina fa 74 taona izao i Talas izay anisan’ireo nandrafitra ny ekipam-pirenena tamin’ny taona 1957 tany Frantsa ary naira-nilalao tamin-dry Mbahiny sy Ravolomaso. Talohan’ny faran’ny taona lasa iny no efa nitondra fanampiana ity kintan’ny rugby fahiny ity ny minisitra ary izao dia nampanantena ny hanampy amin’ny fitsaboana indrindra ireo ilaina amin’ny fanafody. 

Nanaraotra nitsidika ilay mpanao gazety, Jean Martial Vanivato koa omaly ny minisitra tetsy amin’ny HJRA izay tojo tsy fahasalamana teo amperin’asa tany Mahajanga tamin’ny fotoana nandalovan’ny Filohan’ny Fifa Sepp Blatter teto iny. Efa zokibe tokoa i Vani izay 73 taona izao miasa ao amin’ny La Gazette de la Grande Ile raha izany Matin izany no nahafantarana azy tamin’ireny taona 70 ireny.
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT