Sport

Kitra – CHAN 2 Lavon’ny Barea 3-1 ny ASCUM


  • Alatsinainy 08 Martsa 2010

Niatrika ny lalao fitsapana faharoa ny Barea omaly nihaona tamin’ny ASCUM, ekipan’ny Kaominina Mahajanga, tao amin’ny kianja Rabemananjara, tafiditra amin’ny fanomanana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika andiany faha-2 (CHAN) izay hihaonan’ny Barean’i Madagasikara amin’ny Palanças Negras avy any Angola ny 14 martsa izao any Mahajanga ihany.

Nandresy mazava tamin’ny isa 3-1 ny ekipam-pirenena tamin’io fitsapana io ary efa nitarika 2-0 hatreo am-pialan-tsasatra tamin’ny alalan’ny baolina nampidirin’i Amada Ibrahim (1’) sy Carolus (35’) izay samy akademisianina. Nampiditra ny baolina faha-3 i Jeannot lohalaharan’ny Tana FC (75’). Nilalao folo anefa minitra vitsy taorian’io ny Barea rehefa nahazo karatra mena i Lantoniaina (78’) ary fotoana fohy taorian’izay ny baolina tokana azon’ny mpampiantrano tamin’ny penalty (80’). “Nahafa-po ny fanafihana fa ny vodilaharana no mbola misy lesoka be. Banga mantsy ny toeran’i Sedera sy Mamy samy avy amin’ny Ajesaia. Ireo misy eo am-pelatanana ihany no tsy maintsy hamafisina raha tsy ho avy mihitsy izy roalahy ireo”, hoy Rajaonarisamba Franck mpanazatra.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT