Sport

Tenisy ambony latabatra – Tompondaka eran-tany Hiazo an’i Moscou i Ndimby sy Tahiry


  • Talata 09 Martsa 2010

Notontosaina ny sabotsy teo tetsy amin’ny efitrano kelin’ny lapan’ny fanatanjahantena ny fifaninanana sivana farany namaritana ireo mpilalao roa senior lehilahy hiatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany isan-tarika hatao any Moscou ny 23-30 mey izao.

Telo lahy ireo nifanintsana farany niady ireo toerana roa ireo. Nitsimbadika tanteraka moa ny vokatra raha oharina tamin’ny sivana voalohany natao herinandro vitsy lasa izay. Rakotoharisoa Tahiry (Zain) izay laharana faharoa teo aloha sy Razakamalanto Ndimbiniaina (Jovenna) fahatelo teo aloha indray no tafita fa i Andrianatoandro Erick (Zain) izay nitana ny laharana voalohany no nivarina lasa fahatelo. Nihaona in-telo avy izy telo lahy ireo ka rehefa natambatra ny isa azo dia 50 no azon’i Tahiry izay lasa laharana voalohany, 45 ny an’ny faharoa, i Ndimby ary 35 ny an’i Erick izay lasa fahatelo. Marihina fa mpikatroka enina mianadahy, ahitana senior lahy roa sy junior iray ary telo vavy ahitana senior roa sy junior iray avy no voafantina farany hiatrika io fiadiana ny tompondaka eran-tany isan-tarika io. Hiantoka ny fiatrehantsika Malagasy io fifaninanana io moa ny minisiteran’ny fanatanjahantena.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT