Sport

Kitra – Inter-cooperatives Hafana ny famaranana etsy Mahamasina


  • Zoma 05 Martsa 2010

Taorian’ny “Taxi Foot” dia ny “Inter-cooperatives” ho an’ireo taxi-be indray no malaza. Hotontosaina ny alahady izao etsy Mahamasina ny lalao famaranana sy ny fiadian-toerana laharana fahatelo amin’ilay fifaninanana “Tournoi Firaisankina Inter-Cooperatives” izay karakarain’ny koperativa Cotral mitrandraka ny zotra 129 mankeny Ambohipo.

Marihina fa ireo mpitaky vola sy mpamily Taxi be no mandrafitra ny ekipa tsirairay miatrika ity fifaninanana ity. Ny koperativa Soamiafara (zotra 137) sy Tselatra (zotra 146, 147, 178) no hiady ny famaranana ny alahady izao amin’ny roa ora sy sasany etsy Mahamasina. Mialoha izay anefa dia hiady ny fiadian-toerana laharana fahatelo ny koperativa Ainga Vao (zotra 119) sy ny Miary (zotra 165). Amin’ny iray ora kosa ny lalao fiantsiana eo amin’ny ekipan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena sy ireo mpitantana koperativa eto an-drenivohitra. Ankoatra ny amboara izay hozaraina amin’ireo ekipa rehetra hiatrika ny lalao ny alahady izao dia hahazo omby ny tompondaka eo amin’ny famaranan’ny “Tournoi Firaisankina Inter-Cooperatives”, ondry kosa ho an’ny faharoa ary fanamiana, izay miisa 14, sahaza ny ekipa iray na baolina ny an’ny laharana fahatelo.

Manohana ity hetsika ity moa ny orinasa Star sy ny fiantohana Mama ary ny Jovenna etsy Antsakaviro. Ireo mpitsara avy amin’ny seksion’Antananarivo renivohitra no mitsara ny lalao amin’ity fifaninanana ity ary maimaimpoana ny fidirana amin’ny alahady izao etsy Mahamasina. Efa nanambara sahady moa ny Cotral mpikarakara ity “Inter–Cooperatives” ity fa efa misokatra indray ny fisoratana anarana ho an’ny andiany manaraka amin’ity fifaninanana ity izay hampisalorana ny anarana hoe : “Tournoi de l’indépendance” ka zotra miisa 20 eto an-drenivohitra no andrasana handray anjara amin’izany ary any amin’ny fotoam-pialantsasatry ny mpianatra amin’ny volana jolay no heverina hanatontosana ny dingan’ny famaranana.  

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT