• Sabotsy 23 Jona 2018
Sosialy.CNaPS tany Ambilobe Mitaky fitsirihana eny anivon’ny orinasa ireo mpiasa tsy miankina

Maro ireo orinasa vao misokatra ao an-tampon-tanànan’ Ambilobe, mampiasa olona an’arivony maro. Ny ankamaroan’ireo mpampiasa anefa dia tsy manao fanambarana eny anivon’ny Tahirim-pirenena amin’ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS),

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 22 Jona 2018
Sosialy.CNaPS eny amin’ny SIM Mitohy hatrany ny fanatonana ny vahoaka

Mandray anjara feno amin’ny Salon de l’Industrie (SIM) tanterahina eny Tanjombato nanomboka omaly alakamisy 21 jona ka tsy hifarana raha tsy amin’ny alahady 24 jona izao ny CNaPS. Samy tokony hisitraka ny zo ara-tsosialy tokoa mantsy ny olom-pirenena tsirairay kanefa mbola betsaka ny tsy mahalala ny antsipiriany momba izany ka very zo vokatr’izay.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 22 Jona 2018
Sosialy.Mpamboly mamatsy ireo tsenan’ny tantsaha Matiantoka amin’ny ankapobeny

Tsy mba nianatra be loatra ny tena, hoy Atoa Levelo mpamatsy voatavo ny tsenan’ny tantsaha etsy Namontana ka tsy maintsy milofo amin’io asa io hatrany na dia matiantoka aza indraindray.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Jona 2018
Sosialy.Madagasikara Ny 40 %-n’ny ankizy no miasa alohan’ny faha-18 taonany

Miisa iray miliara ireo zaza roa ka hatramin’ny 17 taona no fantatra fa hiharan’ny herisetra maneran-tany ka tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana azy ireo mialoha ny faha-18 taonany.

Hamaky ny tohiny
  • Alakamisy 21 Jona 2018
Sosialy.Fampitoniana ny fanaintainana Efa manana ivontoerana afaka mandray izany i Madagasikara

Tsy misy aretina tsy mandalo fanaintainana. Saika miaina sy misedra izany avokoa ny marary rehetra, antony nijoroan’ny ivontoeram-pirenena misahana ny fanaintainana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 20 Jona 2018
Sosialy.Delegen’ny mpiasa noroahina Nidinan’ny Fisemare ifotony

Ny 15 desambra 2017 teo no nivoaka ny didim-pitsarana tokony hamerina ny delegen’ny mpiasa eo anivon’ny Central Hotel etsy Tsaralalana,

Hamaky ny tohiny
FTT