Sosialy

Fampandrosoana ny maha olona Hiainga amin’ny fanetsehana ny harena anatiny


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Mbola lavitry ny afo ny kitay raha mijery ny laharan’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny maha-olona.

 Mbola tena marefo satria mitàna ny laharana faha-155 amin’ny 188 ny firenena Malagasy ny amin’ny fampandrosoana ny maha olona tamin’ny taona 2016 izay nivoahan’ny tatitra farany.  Ankoatra ny lafiny fahasalamana sy ny fampianarana dia mandrafitra ny singa manome ny fampandrosoana maha olona ny vola miditra amin’ny isam-batan’olona. Faritra 4 monja no mba manakaiky ny salanisa antonony eto Madagasikara dia Analamanga, Itasy, SAVA ary Diana. Mazava ho azy fa Analamanga noho izy renivohitra dia ambonimbony kokoa ny fari-piainana. Tahaka izany Itasy manana trondro ary SAVA misy ny lavanila. Tena ambany be ny tahan’ny fampandrosoana ny mahaolona any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Ihorombe, Melaky ary Androy. Samy manana ny harena mampiavaka azy anefa ireo faritra ireo saingy tena tsy mivoatra mihitsy ny mahaolona. Araka izany dia mila jerena sy fantarina tsirairay ny harena misy ao amin’ny faritra. Amin’izay indrindra no anetsehana ireo loharanon-karena anatiny misy ao hiteraka fampiroboroboana eny ifotony ary hitondra fampandrosoana ho an’ny tsirairay mihitsy. Tena mbola olana hita be eto Madagasikara mantsy ny elanelana misy amin’ny faritra maro ary tena lasibatra ireo tena lavitra sy ratsy lalana. Ireo harena misy ary voatrandraky ny Malagasy ihany any amin’ny faritra ireo anefa no hampiakakatra be haingana ny fampandrosoana maha olona.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT