Sosialy

Fividianana akanjo mafana, bodofotsy Mampitombo ny fandanian’ny isan-tokantrano


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Tsy misy izay tsy mikolay ny amin’ny hatsiaka mamirifiry mifafy ny rehetra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao.

Tena tsy ahitana masoandro mihiratra mihitsy mantsy izany indraindray sady mbola miampy erika manify ihany koa. Manoloana io tranga io dia nampitombo ny fandaniany amin’ny fividianana akanjo mafana avokoa ny isan-tokantrano, raha araka ny fanadihadiana natao. Ho ana renim-pianakaviana iray mpivarotra akanjo mafana etsy Isotry fotsiny, ohatra, dia nambarany fa mitombo avo roa heny amin’ny mahazatra ny entana lafony isan’andro amin’izao ka ny bodofotsy, ny blouson, ny manteau ary ny akanjo ba no tena mandeha. 5.000 Ar anefa no vidin’ny akanjo bà iray tsotsotra friperie raha 140.000 Ar ny bodofotsy iray. Misy mihitsy aza ireo mpanjifa mividy bodofotsy roa indray miaraka raha araka ny fanazavany hatrany miampy drap. Ankoatra ireo voalaza ireo dia tena mandeha ihany koa ny bàn-kiraro, ny satroka bà, ny fonon-tanana amin’izao na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe.  Tsy ampy hamidin’ny mpivarotra iray etsy Isotry mandritra ny herinandro ny bal iray izay nomarihin’izy ireo fa tena mandeha tokoa. Raha tsiahivina moa dia mbola tena ao anatin’ny ivon’ny ririnina isika eto Madagasikara ankehitriny. Amin’ny faran’ny volana aogositra any ho any vao hanomboka hisindana miandalana ny hatsiaka ka samy miezaka ny manao fitafiana mifandraika amin’izany avokoa ny rehetra.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT