Sosialy

Ahiana hisavorovoro i Toamasina Hihetsika ny mpivarotra, mpampianatra ary ny “Grand Sud-Est”


  • Alatsinainy 30 Jolay 2018

Mampanahy ny hisian’ny savorovoro ao Toamasina renivohitra amin’ity herinandro ity.

Nivadika ho firaisankina eo amin’ny sendikan’ny mpivarotra mitambatra sy ny sendikan’ny mpampianatra eo anivon’ny Sempama, ny sendikan’ny mpiasan’ny kaominina ary ny fikambanana “Grand Sud-Est” mantsy ilay raharaha fikasan’ny ben’ny tanàna hanala ireo mpivarotra an’arivony ao amin’ny bazary may sy bazary tranonjiro ao Ankirihiry, izay mety mbola hiitatra ho ao amin’ny bazary “esplanade” bazary kely sy bazary ao Ambolomadinika. Mahita izy ireo fa tsy fifandaminana no tadiavin’ny ben’ny tanàna Ratsiraka Elisé fa fampiasana fahefam-panjakana lazainy fa ananany sy fampiasan-kery noho izy afaka mibaiko ireo mpitandro ny filaminana raha ny filazany, ary ny bontolo amin’ny filazany fa azy Toamasina ka izay tiany atao fa izy no tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina izao. Raha fandaminan-draharaha no nirian’ireo mpivarotra miaro ny fihariany sy ny fivelomany ny alakamisy teo nisian’ny fihaonana teo amin’ireto mpivarotra sy ny ben’ny tanàna ao amin’ny lapan’ny tanàna, dia vao maika fandrahonana, sy fanivaivana ary fanambaniana ireto mpivarotra indray no nataony. Vokany, hisy ny hetsika hiarahan’ireo sendika sy ny fikambanana ireo hihetsika eo anoloan’ny lapan’ny tanàna amin’ity herinandro ity. Ny mpivarotra hitondra ny tsy fankasitrahany sy ny tsy fisian’ny mangarahara amin’ny voalaza fa tetikasa fanatsarana ny tsena ataon’ny ben’ny tanàna; ny sempama kosa hitondra ny ambaran’izy ireo fa antsojay ataon’ny fanjakana ho famerenana azy ireo hiasa nefa ny fangatahan’izy ireo hodiana fanina tsotra izao; ny mpiasan’ny kaominina kosa hilaza ny maharary azy amin’ny tsy fandraisana karama feno telo volana tsy ho ela noho ny voalaza fa tsy fisiam-bola eo anivon’ny kaominina; ary ny “Grand Sud-Est” kosa hilaza ny famonoana tsy amin’ny antony ny zanany nambaran’ireo mpitandro ny filaminana fa jiolahy ka notifiriny tao Morarano-Ambalakisoa.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT