Sosialy

Voafonja ao Antanimora Miandry fitsarana avokoa ny antsasa-manila


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Omaly talata 31 jolay 2018 no natao tetsy amin’ny DLC Anosy ny atrikasa jeritodika ny tetikasa iadiana amin’ny fitazonana am-ponja mialoha ny fitsarana tsy manara-dalàna.

Efa tamin’ny volana febroary 2017 no nanombohana ny tetikasa izay novolavolain’ny vondrom-pikambanana Fédération Internationale des Actions des Chrétiens pour l’Abolition de la Torture (ACAT Madagascar). Maro ny dingana efa natao tahaka ny famoahana tolo-kevitra ho an’ireo mpandraharaha eny anivon’ny fitsarana sy ny fonja ary indrindra ireo voafonja. Mandritra ity atrikasa 2 andro ity no ijerena ireo vokatra ary koa hanarenana izay mety ho lesoka sy vato misakana ka niantsoana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. Hatreto aloha dia mbola ny fonjaben’Antanimora ihany no figadrana voakasiky ny tetikasa araka ny nambaran’ny Mpandrindra iraisam-pirenena ny tetikasa FIACAT eto Mdagasikara Ramatoa Marie Salphati. Raha ny momba ny vokatra azo tao amin’io fonja io tanatin’ny efa-bolana nitsidihana sy niresahana tamin’ireo olona voafonja miisa 172, izay 57 amin’izy ireo dia vehivavy, latsaky ny 10% ihany no mahafantatra ny mombamomba azy. Tsy fantatry ny ankamaroan’izy ireo akory ny laharan’ny dosieny, ny taona nidirany am-ponja. Ny 48% tamin’ireo ihany no efa niatrika ny fitsarana teny amin’ny fanaovana famotorana ary ny antsasany mahery dia mbola miandry ny fitsarana azy. Maro ny antony mety mahatonga izany tahaka ny fahamaroan’ireo voafonja, ny fanararaotana, ny fihazonana am-ponja alohan’ny fitsarana. Izany rehetra izany moa no iadivana sy ny antom-pisian’ity tetik’asa mijery ny fandraharahana ny rariny eto Madagasikara ity.

Tsiry


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT