Sosialy

Orinasa mitrandraka fasimainty any Toliara Mandeha ny fifandresen-dahatra amin’ny mpanjono


  • Talata 31 Jolay 2018

Misy ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny orinasa Toliara sands, izay efa lasa Base Resources ny anarany amin’izao, ary efa nisy ny dingana vita.

 Niteraka disadisa ho an’ny mpanjono madinika sy ny mpiandriaka io. Nahiana mantsy sao hisy tontolo simba ao anaty ranomasina ka hisy fiantraikany amin’ny hazandrano ny fakana fasimainty ka mahasarotiny ny mpiandriaka. Ny vezo no tena miaina sy mifototra amin’io resaka jono io, ka nisy ny fakana ny hevitry ny Filohan’ny Fikambanan’izy ireo dia ny VAVEA (VAhatse ty VEzo Aharo) Atoa Faratiana Honoré. Noresahina ny tale jeneralin’ny Base Resources satria hanomboka ny fanadihadiana na “Etudes”. efa nifampiresaka tamin’ny mpiandriaka ny lehiben’ny orinasa, ary efa nilaza fa tsy misy olana io. Toeram-pizahantany rahateo moa ny toerana izay hametrahana karazana seranana ihany koa, ka mbola mandeha ny fifampiresahana amin’izao fotoana fa tsy vita indray mandeha, raha ny nambaran’ny filoha nasionalin`ny Fikambanana VAVEA, Faratiana Honoré.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT