• Alarobia 17 Aprily 2019
Sosialy.Halatra taolam-paty Fisolokiana avo lenta ?

Raha ny fanadihadiana azon’ny zandary hatramin’izay nahitana resaka halatra taolam-paty, mijanona ho fisolokiana avo lenta hatrany izany. «Ireo izay tratra dia tsy mahita ny mpandray ny taolam-paty izay heveriny ho entam-barotra. Ny atidoha mikotrika nampaniraka olon-kafa milaza fa misy mitady. Ilay voairaka mamoaka vola hividianana izany kinanjo tsy hita ilay tompon’ny ketrika fa efa azon’ilay nahitana ny taolam-paty ny vola ary ity farany dia mpiray tsikombakomba amin’ilay tena mpaniraka. Matetika ireo mpanera sy ireo mpanelanelana izay efa namoaka vola nefa tsy nahita mpividy no tra-tehaka, sady efa nividy lany vola no itobian’ny entam-barotra tsy ahitana mpandray ary voasambotr’ireo mpitandro filaminana. Dia ireny miahaka fotsiny ireny ny entana fa matahotra ny hosamborina ireo nividy tsy nahita mpividy”.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Aprily 2019
Sosialy.Oniversiten’Antananarivo Sakoroka tsy nifankahitana indray

Nafana indray ny sakororoka teny Ankatso omaly. Nifamaliana ny tora-bato sy ny baomba mandatsa-dranomaso hatrany amin’ny faritry ny anjerimanontolo. Ao anatin’ny fampikatsoana tanteraka ny fampianarana ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka mivondrona ao anatin’ny SECES Antananarivo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Aprily 2019
Sosialy.Asan-jiolahy sy fanafihana Mitaintaina ny banky

Nitombo isa tato ho ato ny fanafihana olona mitondra vola..na hanatitra io na haka amina banky. Tsapa fa mandinika sy manao fanadihadiana ireo jiolahy ary manana mpanome vaovao. Hatreto aloha, mpiambina tsotra tsy mitam-basy no tena maro an’isa miambina banky na dia misy mpitandro filaminana ihany aza.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 16 Aprily 2019
Sosialy.Pavillon Analakely Nitokona ny mpivarotra

Nitokona tsy nisy nety nivarotra omaly alatsinainy ireo mpivarotra miisa 900 etsy amin’ny pavillon Analakely. Anton’izany ny tsy faneken’izy ireo ireo trano vy mpivarotra friperie eo ampitany izay kasain’ny kaominina hafindra vonjimaika manoloana azy ireo. Hasiam-panamboarana mantsy ny tata-drano amin’ny faritra misy ireto mpivarotra ireto ka tsy maintsy hafindra toerana izy ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 15 Aprily 2019
Sosialy.Fandaminana ny mpivarotra amoron-dalana Misy manipy hoditr’akondro ve ny ben’ny tanàna ?

Nanao hetsika fanairana tetsy amin’ny Pavillon Analakely ny faran’ny herinandro teo ny fikambanan’ireo mpivarotra eo anivon’ity tsena ity na ny FIMPAVA mba hanairana ny avy eo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra hanala ireo mpivarotra tsy ara-dalàna izay manakona ny mpivarotra ara-dalàna ao amin’ny pavillon.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 15 Aprily 2019
Sosialy.Fikarakarana taratasin-tany Lafo loatra ny sarany, tsy zakan’ny sarambabem-bahoaka

Tsy mahavita mikarakara ny taratasin-taniny intsony ny ankamaroan’ireo mponina monina ivelan’ny renivohitra amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao.

Hamaky ny tohiny
FTT