Sosialy

Trano 160 horavana eny Antohomadinika atsimo Tsy azo ekena, hoy ny mponina


  • Alarobia 29 Mey 2019

Trano 160 tafo misy olona an’arivony no misy mikasa handrodana ao amin’ny fokontany Antohomadinika atsimo, kaominina Antananarivo Renivohitra.

 

 

 

Olon-tokana nividy ny tany tamin’ny orinasam-panjakana iray tamin’ny taona 1986 tamin’ny sarany 770.000 Ar no  mikasa haka ny tany indray, rehefa resy teny amin’ny fitsarana, hoy ireo mponina nanao fihetsiketsehana, omaly. Efa taona marobe talohan’io   no nisy nipetraka io tany io izay marihina fa ana hektara  maro ary efa saika nisy trano avokoa nipetrahan’ireo razamben’ireo mponina ary manana  taratasy ara-dalàna. Tsy nijanona ny ady fa nifandimby resy sy naharesy ny roa tonta. Volana vitsy lasa  izay dia nahazo “pourvoi pour l’intérêt de la loi” tamin’ny fitsarana ireto mponina ireto, izany hoe efa manaiky ny fandresena.  Fotoana fohy taorian’izay anefa dia naharay taratasy hafa avy amin’ny fitsarana indray izy ireo  izay manome vahana  io olon-tokana nividy ny tany tamin’ny taona 1986 io ary mandrahona ny handrava ny tranon’ireo mponina mihitsy. Nisy ny fidinan’ireto farany an-dalambe, omaly, manohitra amin’ny heriny feno io taratasy tonga eo am-pelatanany io.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT