Sosialy

Kaominina Alasora Amboarina ny toho-dranon’Andrangirika


  • Talata 28 Mey 2019

Ela ny ela fa hasiam-panamboarana ny toho-dranon’Andrangirika ao anatin’ny kaominina Alasora.

 

 

 

Ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD)  no hamatsy vola izany izay mitentina 8 miliara Ar, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Marc Ramiaranjatovo. Tamin’ny fotoanan’ny rivo-doza farany teo mantsy, raha araka ny fanazavana azo hatrany dia nahatratra 50 hatramin’ny 60 metatra ny fihitaran’ny fahasimban’ity foto-drafitrasa ity, antony tsy hahazoan’ireo tantsaha mpamokatra  any amin’ny fokontany sasany rano ara-dalàna. Hanondraka velaran-tany hatrany amin’ny 400 ha any ho any moa ity toho-drano ao Alasora ity raha vita soa aman-tsara ka fokontany manodidina ny 36 isa no hahazo tombontsoa amin’izany.  Ankoatra ny toho-drano dia hisy ihany koa asa fanamboarana toho-drano hafa madinika.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT