Mbola ao anatin` ny iray volany Ramadan, na ny fifehezantena sy fifadian-kanina, ny mpino silamo amin' izao fotoana izao, Niavaka ny hetsika nataon` ny Fikambanana Assanati Famo Gidraka tamin'ity taona ity, hoy ny filohan` ny fikambanana,
Rtoa Assanati, satria nitodika sy niantefa tany amin'ireo zanaka sy zandry madinika izay efa manokan-tena sahady ho an`i Allah ka mifady hanina sy mifehy vava ny fanampiana sy ny fanomezana izay natolony. Teny amin'ny Madrasa Ambalavola izay tantanan` ny raiamandrenibe ny mpino silamo ao Mahajanga no nanaovana ny hetsika. Nanolotra lafarina sy siramamy ny Fikambanana ny asabotsy maraina lasa teo. Marihina fa tohana mba hanampiana azy ireo amin`ny “koufoutour” isaky ny hariva no tanjona. Nanamafy ny filoha mpanorina fa teo anilan' ireo zaza ireo hatramin'izay ny tenany ka nirary soa ireo ankizy rehetra tsy ankanavaka mba hahavita hatramin'ny farany izao volana masina. Zava-dehibe ho an` ny Filoha Assanati famo Gidraka ny fandalàna ny fomban-drazana sy fanajàna ny raiamandreny. Maro ny fanontaniana mipetraka mahakasika ity fikambanana Assanati famo Gidraka ity. Tany Mahajanga no niantombohany ary tsy vao izao no nisiany fa efa an-taonany maro. Asa sosialy sy fanampiana ny mpiara-belona madiodio no tanjona fa tsy misy idiran` ny resaka politika ka tsy misy mpamtsy vola na fanampiana avy any ivelany fa Rtoa Assanatia no mampiodina izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.