Sosialy

Lea Ratna, vehivavy Malagasy Voaroaka ao Maorisy taorian’ny nahafatesam-badiny


  • Alarobia 29 Mey 2019

Taorian'ny nahafaty ny vadin’i Léa Ratna, renim-pianakaviana Malagasy niteraka roa ( 12 sy 9 taona) ary efa 20 taona nipetrahana tao Maorisy dia nahazo taratasy tsy hahafahany mipetraka any an-toerana intsony ny tenany.

 

 

 

 Saika safotra izy teo  am-panokafana ny taratasy raha ny fanazavana nentiny tamin’ny gazety Defimedia any an-toerana.  Niantso namana mihitsy izy mba hamaky ilay taratasy azony ka taorian’izay vao nitomany sy nihiaka nieritreritra ny fomba hamelomany ireo menaky ny ainy roa. Saika any an-toerana avokoa mantsy no efa nanompanan’ity renim-pianakaviana Malagasy iray ity ny fiainany manontolo. Efa nahavita trano any an-toerana izy,  ao Maorisy ihany koa no misy ny orinasa iasany. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ireo Malagasy mila ravinahitra any amin’ny Nosy rahavavy hiharan’ny antsojay tahaka izao ny tenany.

Nangonin’i Pati

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT