• Alatsinainy 21 Febroary 2022
Sosialy.Mponin’i Mandriambero Tsy hanaiky intsony ny hanotofana an’Andranotapahana

Tsy hanaiky intsony ny hanotofana ny farihin’Andranotapahana ireo mponina sy ny fikambanan’ny mpanarato ary ny mpanjono ao anatin’ny Fokontany Mandriambero, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 21 Febroary 2022
Sosialy.Fanampiana tamin’ny “madco” sy kapsily Henjehin’ny Fanjakana ilay namoaka ny zava-nisy…

Nahazo fampiantsoana na “convocation” avy amin'ny Polisy i Andry Tafaray, ilay mpanakanto, izay namoaka sary sy horonan-tsary tamin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny fanampiana vary nafatra tamin'ny “madco” sy menaka nafatra tamin'ny kapsily tany Ikongo Fort Carnot.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Febroary 2022
Sosialy.Fizarana fanampiana hafahafa Sao mba misy ambadika famaizana an’Ikongo ?

Sady mampalahelo no mahamenatra, saingy izay tokoa angamba ilay hoe: “miaina amin’ny zava-misy”. Izay no azo hamintinina ny fizarana fanampiana tany Ikongo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Febroary 2022
Sosialy.Savorovoro tany Nosy Varika Tezitra ireo traboina, nirefodrefotra ny basy

Raikitra ny sakoroka tany Nosy Varika omaly. Tezitra mafy ny vahoaka traboina ka nitokona niandry sy nitaky ny voalaza fa anjara fanampiana ho azy vokatry ny fampanantenana nataon’ny Mpitondra.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Febroary 2022
Sosialy.Fihazakazahana maka vatsy tsinjo Nahitana taratra ny fahasahiranam-bahoaka

Tena sahirana ny vahoaka Malagasy. Raha vantany vao nahare fanomezana kely na avy amin’ny fanjakana na tsia dia samy mihazakazaka mamono tena avokoa sitrany ahay mahita indray mandeha mandrotsaka.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Febroary 2022
Sosialy.Traboina any Befotaka Nalatsaka tamin’ny fiaramanidina ny fanampiana

Mbola misy hatreto ireo toerana saro-dàlana kanefa traboina, ka voatery amin’ny alalan’ny fiaramanidina no hanaterana ny fanampiana.

Hamaky ny tohiny
FTT