Sosialy

Fanaraha-maso ny vidin’entana Miandry fomba fiasa vaovao ny mpanjifa


  • Alarobia 30 Martsa 2022

Azo lazaina ho efa ela no miandry fomba fiasa vaovao ny mpanjifa raha mikasika ny fanaraha-maso ny vidin’entana eto Madagasikara no resahana manoloana ny vidangan’ny vidin’entana tsy mety mitsahatra mandrak’ankehitriny.

 Isan’ny fanontaniana efa nipetraka ary mbola mipetraka hatrany ny hoe hatraiza ny fetran’izay fanaraha-maso ataon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana na minisitera tompon’andraikitra amin’ny resaka vidin’ireo entana ilaina andavan’andro izay? Maninona ireo mpanara-maso ny tsena no tsy mba midina ifotony any amin’ireo mpamatsy entana amidy na “fournisseur” fa ny eny amin’ny mpivarotra enta-madinika na episeria no terena handatsaka vidin’entana? Isan’ireo mba hanaovana fitsirihana sy terena hampidina vidin’entana koa ve ireo mpamongady vahiny na tompona orinasa misehatra amin’izay resaka izay saingy vahiny toy ny sinoa sy ireo faritana mahazatra amin’ny hoe karana? Sa efa tany fa voasesika vola? Andrasan’ny maro araka izany izay fomba fiasa vaovao sahy manery hatramin’ireo mpandraharaha farany vaventy izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT