Sosialy

Asa an-tsokosoko any ivelany Vehivavy mpandefa iray indray no tratra


  • Alatsinainy 28 Martsa 2022

Ramatoa iray mpandefa vehivavy hiasa an-tsokosoko any ivelany no tra-tehaky ny Polisy ny 24 marsa lasa teo. Naharay vaovao mari-pototra ny Polisy amin'ny fisiana olona milaza fa afaka mandefa vehivavy hiasa any ivelany ka

 nanokatra fanadihadiana mahakasika izany. Nisy ny fitsirihana sy fanarahan-dia nataon'ireo Polisy nahafahana nanamarina fa ity ramatoa voasambotra ity tokoa no manao izany. Rehefa voamarina fa izy tokoa no nikarakara izany fandefasana vehivavy hiasa ho any ivelany izany dia tsy maintsy nosamborina. Nahitana karazana taratasy maro samy hafa teny aminy toy ny demande de délivrance de passeports, CIN hosoka, contrats de travail hosoka, certificat de résidence hosoka. Nentina teny amin'ny birao avy hatrany izy natao famotorana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa efa nisy vehivavy miisa dimy saika halefan'ity ramatoa ity an-tsokosoko ho any Maurice. Avy any Andapa ireo vehivavy ireo araka ny fanadihadiana natao ary noentiny niakatra teto Antananarivo hikarakara ireo taratasy ilaina amin'izany. Efa misy olona hafa mpiara-miasa amin'ity ramatoa ity ihany koa mipetraka any Maurice mandefa ireo contrat de travail sy ny vola hikarakarana passeport. Niaiky ny fahadisoana nataony ity farany ary nilaza fa tsy izy no nanamboatra ireo CIN sy taratasy fanamarinam-ponenana hosoka fa olona fantany fotsiny ary 20.000 Ar no manambotra izany. Notazomina vonjimaika eny Antanimora moa izy rehefa natolotra ny fitsarana ary ireo vehivavy saika alefa hiasa ho any Maurice kosa mbola hatao fanadihadihana lalina eny amin’ny fitsarana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy mpandefa mpiasa an-tsokosoko mankany ivelany
(flouter na tsara)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT