Sosialy

Faha-10 taonan’ny AFHAM Nomarihina tamin’ny horonantsary hoe “Debout”


  • Zoma 01 Aprily 2022

Horonantsary fanadihadiana momba ny andavanandrom-piainan’ireo olona manana fahasembanana no nentina namarana ny hetsika fankalazana ny tsingerintaona faha-10 nisian’ny AFHAM,

ny alarobia 30 aprily 2022 teo. “Debout” na “Mitsangàna” no lohatenin’ity horonantsary ity. Novokarin’I Felana Rajaonarivelo, mpaka sary sady mpamokatra horonantsary ary niarahany niasa tamin’ny Canal + izany. Tao amin’ny Canal Olympia no nandefasana azy io ary notronin’ny vadin’ny filoham-pirenena, Mialy Rajoelina sy ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny fikambanana AFHAM toa an’i Fanja Razakaboana, filohan’ny fikambanana GFEM. Mitantara ny fiainan’i Fela, Lahatra sy Marie Claire ary i Nourina ny horonantsary fanadihadiana “Debout”. Nisy tamin’izy ireo no tsy nanan-tsafidy fa efa sembana hatrany am-bohoka fa misy kosa no efa lehibe izay vao nanana fahasembanana. Betsaka ny olana nosedrain’izy ireo hatramin’ny fahakely. Mitantara ny eso sy ny fanilikilihana natao azy izy efabavy, ao anatin’ity horonantsary fohy ity. Maneho ny andavanandrom-piainany ihany koa ao anatin’izany satria tsy mora ny tontolo andro ho an’ireo manana fahasembanana raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fahampian’ireo fotodrafitrasa natao ho azy ireo fotsiny. Lasa tanjak’izy ireo izany fahasembanana izany ary vao mainka mampandroso azy. Samy manana ny anjara andraikiny ny tsirairay amin’ny fanomezana toerana sy fampanajana ny zon’ireo olona manana fahasembanana, hoy Fela Razafinjato, filohan’ny AFHAM, nandritry ny lahateniny. Samy nanome toky ihany koa moa ireo mpiara-miombon’antoka fa hitondra ny anjara birikiny ao anatin’ny fanatanterahana izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT