Sosialy

Vidim-piainana “Ilaina fehezina ireo Indo-pakistanais”


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Anatina kihon-dalana tsy azo ihodivirana hidirana amin’ny antsoina hoe “multi-polarité” isika izao, hoy ny antoko politika Teza.

Hatramin’izay raha niongana ny firehana na “bloc” sosialista dia ny tandrefana no nanao ny antsoina hoe fanatontoloana araka ny fombafomba fisainany na fiheverany, hoy ny filohan’izy ireo, Jean Louis Rakotoamboa. Notereny mivantana na an-kolaka izao tontolo izao hanaraka izany. Noteren’ny banky iraisampirenena sy ny FMI hanao ny hoe “ajustement structurel” na fanitsiana ara-drafitra isika. Noterena hamadika ny sehatra misy ho tsy miankina dia notatazan’ny frantsay daholo ireo bankintsika sy ireo orinasa vaventiventy isan-karazany. Izay firenena misy mpitondra tsy tiany dia nodarohany. Irak izao dia nolazaina fa satana indrindra eto ambonin’ny tany I Sadam Houssein. Khadafi koa nopotehiny tany Libia. Tsy misy tafarina hatramin’izao ireny firenena ireny. Toy izany koa I Yougoslavie. Izay ilay “monde mono-polaire” na “mini-polaire” izay hanjakan’ny tandrefana. Izy no mametraka ireny tribonaly iraisampirenena ireny. Izy no manao ireny fandaminana iraisampirenena momba ny varotra na “organisation mondial du commerce” ireny izay hoe tsy tokony hisy ny « barrière douanière » na sakana amin’ny fadin-tseranana eran’izao tontolo izao. Nony niditra tamin’izany anefa ny sinoa dia izy indray no nanisy « barrière douanière ». Io ady any Okrainina io izany dia kihon-dalana iray mankany amin’ny “monde multi-polaire” izay tsy maintsy ho mafy vao hifarana ny ady satria efa ho tratran’ny rosianina ny tanjona kendreny dia ny tsy hidiran’ny okrainianina amin’ny resaka OTAN intsony ary indrindra ny fanalana fiankinan-doha ireo firenena miisa 2 ao. Hisy hery ara-toekarena sy tafika maro hiseho eto amin’izao tontolo izao ato ho ato. Mety eo ihany ny amerikanina sy eoropeanina fa ho eo koa ny rosianina, indianina, sinoa ary hafa aty amin’ny Moyen Orient aty. Tsy nanaiky hanaraka ny tenin’ny amerikanina intsony ny Emirat sy Arabia saodita ary manomboka tsy vidiana amin’ny dolara intsony ny solika fa efa manaiky Yen, izay vola sinoa izao, I Arabia saodita. Ny rosianina koa izao miteny hoe Rumbl fa Euro na dolara intsony ividianana gazy natoraly aty aminay. Nitaraina tany Venezoela ny amerikanina hoe mba ivaroty solika kanjo esory aminay aloha ny famaizana ara-toekarena. Toy izany koa I Iran. Tsy hanaiky lembenana intsony, araka izany, izao tontolo izao. Ilaina fehezina tsy ampiakatra ny vidim-piainana, noho izany, ireo Indo-pakistanay eto amintsika, hoy hatrany ny Teza, nefa ireo no nanohana ny fitondrana Rajoelina tamin’ny fifidianana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT