Sosialy

Famerana ny vidin’entana Hifampidinihana amin’ireo mpandraharaha


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Hiroso amin'ny fanatanterahana fanka-kevitra amin'ireo mpandraharaha misehatra eo amin'ny fanafarana sy fivarotana ireo entana ilaina andavanandro ny Minisiteran’ny Indostria sy ny varotra,

taorian’ny fankatoavan’ny Filankevitry ny minisitra omaly. Hisy ny fepetra ho raisina hamerana ny vidin'ireo entana ilaina amin'ny fiainana andavanandro, aorian'ny fivoriana maika izay hotanterahana io. Eo amin4ny sehatra iraisam-pirenena, ny fisondrotry ny vidim-piainana dia vokatry ny fiakaran ny “fret maritime”, ny fisondrotry ny Vidin-tsolika, ny fitotongan'ny famokarana eran-tany, ny firenena mpamokatra tsy mamoaka intsony ny entana vokariny fa mitahiry izany ary ny voka-dratsin’ny krizy iraisam-pirenena any Ukraine, hoy ny fanamarihana. Eo amin'ny sehatra nasionaly dia eo ny fiantraikan'ny krizy ara-pahasalamana, ny fahapotehan'ny lalana vokatry ny nandalovan 'ny rivodoza farany teo, ny tsy fahampian’ny famokarana eto an-toerana izay niteraka toe-tsaina mampidangana ny vidin'entana teo amin’ireo mpisehatra ara-barotra ary ny fanodinkodinana ny vidin'ny vidiny eny an-tsena. Ho hentitra ny fanaraha-maso izay mety endrika fanararaotana ny fampiakarana ny vidin'ny entana tsy mifanaraka amin'ny tolotra sy tinady. Araka izany, ny Lalâna laharana 2018-020 manitsy ny Lalàna momba ny Fifaninanana dia manome ao amin'ny andininy faha-2, andalana faha-4 sy faha-5, ny fandraisana fepetra vonjimaika ataon’ny Governemanta raha misy tope-javatra toy ny ampihimamba, fahasahiranana maharitra amin'ny famatsiana, na toe-javatra miavaka. Arak izany dia hisy fepetra vonjy maika mila raisina sy azo ampiharina aorian’ny concertation na ny fivoriana lehibe miaraka aminireo mpandraharaha na “opérateurs” mpamokatra “industriels/ Producteurs”, ny mpanafatra na “importateurs”,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT