• Alatsinainy 21 Jona 2010
Politique.Ravalomanana tao Antsiranana “Tsy avelantsika ho faty ny SECREN”

“Mandalo fahasahiranana goavana ny orinasa Secren toeram-piasanay amin’izao fotoana izao”, hoy ny mpiasa iray, niresaka mivantana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tany Antsiranana ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 21 Jona 2010
Politique.Vondron’ny fiarahamonim-pirenena Tsy manaiky hataon-dRajoelina fitaovana ?

Anisan’ireo nihaona sy nanome soso-kevitra ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena sy ny komitin’ny olobe sy ny raiamandreny, izay hikarakara ny fihaonambem-pirenena i Raharinaivo Andrianatoandro avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Jona 2010
Politique.Toliara - Raharaha “Tokobe Telo” Mety ho zava-doza no hitranga anio

Hiara-hientana mihitsy ny mponina ao Toliara anio hanohitra ny jadona misy any an-toerana. Taorian’ny famonjana an’ireo mpikambana ao amin’ny Tokobe Telo mantsy dia tezitra mafy ny mpomba azy ireo any an-toerana, indrindra ny avy amin’ny foko Tanäla.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Jona 2010
Politique.Rakotovao Mario Ministra nesorina lasa PDS-n’ny Kaominina Toamasina I

“Efa voatendry ny Pds-n’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina, ny tenako mihitsy no nanao sonia izany mialoha ny ahatongavako eto izao”.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Jona 2010
Politique.Mitohy ny halatra sy fanondranana an-tsokosoko andramena, hoy ny solombavambahoakan’i Mananara

Anisan’ireo faritra lasibatry ny fahatapahan’ny famatsiam-bola avy amin ‘ny Vondrona Eoropeanina i Mananara. Tetikasa tokony ho natomboka manko ny fanamboarana fotodrafitrasa maroamro any an-toerana, raha tsy hiteny afa-tsy ny lalana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 18 Jona 2010
Politique.Mamy Rakotoarivelo Mihantsy ady ny HAT !

Tsy tokony hatao ary tsy tokony hisy mihitsy ny fifampihantsiana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena izao, araka ny nambaran’i Mamy Rakotoarivelo, izay mpikambana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana, ary voatendry ho filohan’ny kongresin’ny tetezamita, araka ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba.

Hamaky ny tohiny
FTT