Politique

Mamy Rakotoarivelo Mihantsy ady ny HAT !


  • Zoma 18 Jona 2010

Tsy tokony hatao ary tsy tokony hisy mihitsy ny fifampihantsiana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fahaleovantena izao, araka ny nambaran’i Mamy Rakotoarivelo, izay mpikambana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana, ary voatendry ho filohan’ny kongresin’ny tetezamita, araka ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba.

Ny mampalahelo anefa, araka ny nambarany ihany, dia ny fitondrana tetezamita mihitsy no mandranitra sy mihantsy amin’ny alalan’ny famoahana ny didy fampisamborana sy fampodiana an’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana mba hotsaraina. Fihantsiana tsotra izao izany aminay, hoy i Mamy Rakotoarivelo. Araka ny fantatra tokoa dia eo am-piketrehana ny hampodiana ity filoha teo aloha ity ny HAT amin’izao fotoana, ka misy ny fifampiraharahana natao tamin’ny fanjakana Afrikanina Tatsimo, izay tsy nilaza mazava ny heviny aloha, hatreto. Ny 23 jona ho avy izao moa no voalaza fa hanatanterahana ny fitsarana ny raharaha 7 Febroary, ka ny filoha teo aloha no ambaran’ny mpanao fanadihadiana fa tompon’andraikitra voalohany tamin’iny fitifirana teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009 iny.

Taorian’ny fanambaran’i Marc Ravalomanana ny tsy maintsy hiverenany an-tanindrazana ny faran’ny volana mey teo, sy ny fanamafisana izany teny amin’ny Magro moa, araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy, no tena nampihazakazaka ity raharaham-pitsarana ity. Ho an’ny mpisolovava ny vondrona Tiko sy an’Atoa Ravalomanana anefa dia tsy mitombina ny amoahana ilay didy fampisamborana sy fampodiana ny filoha teo aloha nataon’ny fitsarana satria fitondrana tsy eken’izao tontolo izao no misy eto Madagasikara ka tsy afaka manao fifampiraharahana na mamoaka didy mahakasika firenena vahiny tahaka izany. Ny legalista koa moa dia mahatsapa fa fihantsiana sy filam-baniny no ataon’ny HAT, satria matahotra mafy ny fiverenan’i «Dada» izy ireo. Ity farany anefa dia efa nanome toky fa ho avy an-tanindrazana izy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • Gérard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT